Fampidirana

Tanàna fandalovan’ny andriambavy Andriambolamasoandro vady faha-12n’ny Mpanjaka Andrianamponimerina (1787 - 1810) nonina teny Ambohimanoa, rehefa avy mitety faritra, ny tanànan’i Soavinimerina, Ambodivona no fiantso azy tamin’izany, ary nisy Rova fialany sasatra teo amin’ny EPP ankehitriny io.

Hamaky ny tohiny»

BAIBOLY MALAGASY

Araho

Fisaorana

Fisaorana “Ho ampitomboina amintsika mandrakariva anie ny fahasoavan’ny Jesoa Kristy Tompontsika, Amen”

« Izaho no Mpiandry Tsara, Indro havaoziko ny zavatra rehetra » Jaona 10/14, Apok 21/5.

Izahay Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara – FJKM Soavinimerina Mpiandry Tsara dia misaotra sy midera an’ilay Andriamanitra Ray Tsitoha, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika noho ny fanomezany anay izao TETIKASA tsara sady goavana izao mba ho tanterahanay noho ny anarany. Misaotra antsika rehetra amin’ny fahavononana sy ny fandraisana anjara ary ny fananantsika « FINOANA » matanjaka sy tsy azo hozongozonina ka nahatonga antsika hanome fitokisana ireo mpitarika ny Tetikasa dia ireo biraon’ny « JOBILY FAHA-150 TAONA » ny Fiangonana FJKM Soavinimerina Mpiandry Tsara.

Tsy hadino ny Raiamandreny Mpitandrina RABETAFIKA Hajarijaona, izay voatendry hitandrina eto nanomboka ny taona 2008 ka hatramin’izao, tolorana fisaorana mitafotafo izy satria manohana sy manome hatrany sehatra ahafahan’ny Komity miasa sy manao ezaka fitadiavam-bola hanatanterahana ny Tetikasa. Isika tsara sitrapo rehetra, isika Zanakampielezana, na Fiangonana na olon-tsotra indrindra fa isika nitondra am-bavaka hatrany izao tetikasa izao, homba anareo hatrany anie ny Tompo.

Misaotra anareo fianakaviana rehetra, indrindra fa ny vady aman-janako (Tsiky, Hierana ary Maraina), Mama sy ianareo mpiray tampo amiko, tsy nisorona niteny, nampahery, nampirisika, nananatra sy nanakiana tamin’ny fotoana rehetra nilana izany, nanohana ny fanatanterahana ny asa sy fanoratana ny tetikasa izany, Hotahian’Andriamanitra hatrany isika mianakavy.

Misaotra sy mampahery antsika Komitin’ny faha-150 taona, isika birao voafidy, mafy tokoa ny asa nefa asan’ny Tompo ka asa tsara indrindra izany, aza kivy fa matokia ny Tompo amin’ny Finoana dia ho tanteraka hatrany izay hirin’ny fontsika.

AMEN,

Powered by Nyh Gabriel ANDRIAMITANTSOA

Copyright fjkm-soavinimrina.com © 2011. All Rights Reserved.

Free Web Hosting